Afobe tao an-tampon-tanànan’i Vohipeno, distrikan’i Manakara, omaly. Fitakiana lehilahy iray hanaovana fitsaram-bahoaka no nitarika izao faharavana tanàna iray manontolo izao…
Tsy mbola maty ny afo hatramin’ny omaly hariva (tamin’ny 7 ora) ao an-tampon-tanànan’i Vohipeno, distrikan’i Manakara, vokatry ny fahamaizan’ireo trano marobe. Nirefodrefotra ihany koa ny poa-basy sy ny grenady lakrimozena nanaparitahana ireo andian’olona marobe mitangorongorona. Nisahotaka, araka izany, ny mponina tao Vohipeno, omaly nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro. Lehilahy iray voarohirohy ho namono nahafaty ny vadiny no niteraka ity savorovoro ity. Novonoin’io raim-pianakaviana io tamin’ny fomba feno habibiana ny vadiny. Tamin’ny 8 ora maraina (omaly io) no tratran’ny zandary ity nahavanon-doza ity. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’i Fitovinany, efa nalefa haingana any amin’ny fonjaben’i Manakara io raim-pianakaviana io. Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro anefa, tsy nanaiky ireo fianakavian’ny maty sy ny fokonolona tao an-toerana ka nangataka tamin’ny mpitandro filaminana mba hamoaka ilay nahavanon-doza hanaovana fitsaram-bahoaka.
Nisy ireo olona nanararaotra…
Noraisin’ny fianakaviana ho fiandaniana amin’ny mpanao ratsy ny tsy nanomezana azy ireo ity lehilahy ity. Niezaka nifampiraharaha tamin’ny fianakaviana anefa ny mpitandro filaminana nanazava azy ireo fa efa any am-ponja io lehilahy io. Tsy nanaiky izany anefa ireo mpanao fihetsiketsehana. Niroso tamin’ny fanapahana ny lalam-pirenena faha-12 miditra an’i Vohipeno raha avy any Manakara sy Farafangana anefa ireo andian’olona. Voalazan’ny zandary fa teo amin’ny arabe mihitsy ireo fokonolona no nahandro sakafo. Tapaka tanteraka ny lalana. Tafiditry ny mpanararaotra anefa izany ka niafara tamin’ny fandorana tranon’olona. Niraradraraka koa ny tora-bato. Voatery tsy maintsy nandray fepetra mifanaraka amin’izany ny mpitandro filaminana nanaparitaka ireo olona marobe.
J.C