TARATRY ny KANTO

Velakevitra momba ny haisoratra. Tontosaina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, ny alarobia 11 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Mpanoratra roa samy avy ao amin’ny Faribolana Sandratra no hanatanteraka izany. I Tsitohery hamelabelatra ny «Ny nentin’ny teknolojia vaovao teo amin’ny literatiora malagasy». I Nofy kosa no hivaofy ny «I Tsitohery sy ny fiainam-paribolana».
Dihy : hanolotra ny «Kontroller» ny Fishers of man sy Lucky dance theatre. Fampisehoana hotanterahina, etsy amin’ny Alliance Française Antananarivo Andavamamba (AFT), rahampitso, 4 oktobra, amin’ny 2 ora tolakandro. Hitana ny ampaham-potoana lehibe indrindra amin’izany ny dihy ankehitriny sy ny «pantsula», dihy vakodrazana avy ao Afrika Atsimo. 9 mirahalahy ry zareo no haneho izany.
Sary sy Hosodoko. Tanterahina eny amin’ny Maison Sociales des Arts Ambatovinaky, isaky ny Alarobia sy sabotsy, manomboka rahampitso, hatramin’ny 15 novambra 2023, ny fampianarana manao sary tanana sy hosodoko ary haikanto plastika. Ny eo anivon’ity ivon-toerana ity no mikarakara ny hetsika, izay manana vina ny hampiroborobo ny haikanto.
Kitranotrano. Miditra amin’ny tapany faharoa ny fampiratiana “Kitranotrano” eny amin’ny IFM Analakely. Raha tsiahivina, nanomboka ny 12 septrambra 2023 ny hetsika ary hifarana ny 21 oktobra 2023. Haikanto sy sary pika manasongadina ny trano no asehon’i Indie sy Yves Robinson mandritra ireo fotoana ireo.

Partager sur: