TSELATRA

Fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona natsingevan’ny ranon’Ikopa teo ampitan’ny Gare routière Makis, omaly atoandro. Natopatopan’ny rano ka tsikaritry ny manodidina ny fisian-javatra hafahafa. Nanamarina izany ireto farany kinanjo tena olona ary efa tsy nisy aina intsony ity hita ity.

Dahalo iray matin’ny fitsaram-bahoaka tao Antsampandrano, Iandratsay, fokontany Ampahatrima­ha, kaominina Mandritsara, distrikan’i Betafo, ny 29 septambra teo. Nangalatra omby ny dahalo telo lahy. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ireo ka tratra. Voa­daroka mafy ny iray ka nitarika tamin’ny famoizan’aina.

Mpangalatra voritsiloza voasambotry ny zandary tao Ambohimanoa, Sabotsy Ambohitromby, ny alahady 1 oktobra teo. Nentiny nihazo ny tsena ireo vorontsiloza telo nangalariny ka noraisim-potsiny izy sy ny entana halatra. Nentin’ny zandary natao famotorana io mpangalatra io. Naverina tamin’ny tompony ireo vorontsiloza halatra.

Olona roa nanimba fananana iombonana tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao Antsofinondry, kaominina Sabotsy Namehana, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra fiara roa samy hafa izy mirahalahy ka nandona ny vy amin’ny arabe. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara nentin’izy roa lahy.

Partager sur: