Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara : nanao pao-droa ny C2BA Vakinankaratra

Niavaka ny zava-bitan’ny ekipa C2BA Vakinankaratra nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Lasany avokoa ny fandresena teo amin’ny “senior” lahy sy vavy.

Tontosa soa aman-tsara, te­ny amin’ny kianja PAC Ampitatafika, ny zoma 29 septambra ka hatramin’ny alahady 1 oktobra lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­ga­si­ka­ra, tsipy kanetibe. Ni­son­ga­dina ny ekipan’ny C2BA Va­ki­nan­karatra, nanao pao-droa tamin’ity fifaninanana, ity. La­san’izy ireo avokoa mantsy ny fandresena teo amin’ny lehilahy sy vehivavy, ho an’ny “senior”.
Ho an’ny sokajy vehivavy, lavon’i Nathalie sy i Sylvia ary i Nadia ny ekipan’ny BIC Ambohimahasoa, nahitana an’i Natacha, Judicaëlle, Miary. Tamin’ny isa, 13 no ho 10 no nisarahan’izy ireo. Niady ny fihaonana saingy tany amin’ny fahaizana maka isa no hany tombony ho an’ny mpilalaon’i Vakinankaratra.
Tamin’ny isa 13 no ho 6 no nanilihan’i Herilantosoa sy i Oscar ary i Louis, ny klioban’ ny PAC notarihin’i Tahiana sy i Eric ary i Donald. Tsiahivina fa notolorana lelavola 2 tapitrisa Ar ny voalohany teo amin’ny sokajy lehilahy raha 1 tapitrisa Ar kosa ny sokajy vehivavy. Nahatratra 26 ny isan’ny mpandray anjara teo amin’ny Andriambavilanitra raha toa ka 101 ho an’ny sokajy lehilahy.
Nahazo ny amboara sy ny 600 000 Ar ho an’ny sokajy zandriny, ny PCT, nisy an’i Ny Aina sy i Anjatahina ary i Julio, izay nanilika ny Besady, nahitana an’i Fenosoa sy i Herimampandry ary i Kiady, tamin’ny isa13 no ho 9. Nisy 32 ny isan’ireo nifaninana ho an’ity sokajy ity. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny vétérans, ny BIC Ambohimahasoa, nahitana an’i Guy sy i Mamy ary i Lanto. Nahazo 1 tapitrisa Ar izy telo mirahalahy ireo. Dingana manaraka ho an’ny Federasiona sport-boule malagasy (FSBM) ny fanomanana ireo ekipa vehivavy sy zandriny amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany tanterahina any Thaïlande, ny 22 – 26 novambra 2023 izao.

Tompondaka

Partager sur: