Valifaty hafahafa : renim-pianakaviana maty voafira antsy

Ramatoa 50 taona maty nofirain’ny jiolahy roa lahy antsy tao an-tranony tao Moramizy, kaominina Ankarana, distrikan’i Farafangana, ny alin’ny 1 septambra teo. Nitondra basy, niditra an-keriny tao amin’ny ankohonan’io renim-pianakaviana io ireo jiolahy. Nitondra antsy, norasainy avy hatrany ilay ramatoa. Tsy vitan’io, notifirin’ireo tsy valahara koa ny tongotr’ilay rangahy vadin’io voarasa antsy io. Tsy naka na inona na inona tao an-tokantrano anefa ireo olon-dratsy. Nodoran’ireto farany ny trano iray. Nanao tari-dositra izy ireo rehefa avy nahafaty io ramatoa io. Nidina nijery ny zava-nisy ny zandary taorian’ny tranga. Nentina nihazo ny hopitaly CHRR Farafangana ny naratra. Tsy fantatra mazava raha toa ka valifaty tsotr’izao no antony namono io ramatoa io. Andalam-pikarohana ireo nahavanon-doza ny eo anivon’ny zandarimaria ao an-toerana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: