Harenina ny fefiloha manondraka tanimbary 600 ha, eny Antsahadinta, kaominina Androhibe sy Antanetikely Ambohijoky, distrika Atsimondrano. Hanatanterahana azy ny famindrana sorabola ho ao anaty fandaharanasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.
Ho tanterahina ny fandoavana ny vola, ampahany voalohany, amin’ny fanamboarana ny arabe migodana. Fotodrafitrasa miainga eny Talata Volonondry hatrany Toamasina (mirefy 260 km), ka hatreo Anjozorobe ny ampahany voalohany, mirefy 80 km. Manao ny asa ny orinasa egyptianina, Samcrete Egypt Engineers.
Manan-danja ny maha olombelona eo amin’ny tontolon’ny niomerika, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra, Razafindramalo Tahina.
Mitatitra ny Banky iraisam-pirenena sy ny Unicef, fa mora tratry ny fahantrana ny iray ampahatelon’ny ankizy, zanaky ny loham-pianakaviana tsy nahita na tsy ampy fianarana na fahalalana. Anisan’ny tena tratran’izany ny firenena hisian’ny ady na korontana.