Vidim-bary: tafakatra 3 200 Ar ny kilaon’ny vary gasy

Niakatra 100 Ar ny kilaon’ny vary gasy, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, eto an-drenivohitra. Tafakatra 3 200 Ar (900 ny kapoaka) ny kilaon’ny vary gasy Manga­mila, raha 3 100 Ar ny kilao (850 Ar ny kapoaka) ny herinandro lasa. Niakatra ho 2 900 Ar ihany koa ny vary tsipala, raha 2 800 Ar (800 Ar ny kapoaka) tany aloha. Nam­ba­ran’ny mpivarotra antsinjarany iray, i Jah, fa manodidina ny 100 Ar eo ho eo foana ny fisondrotana isam-bolana ra­ha atao ny salanisa. « Any amin’ny mpamongady no misondrotra ny vidim-bary, fa manaraka ny onjany fotsiny izahay. Lasa 155 000 Ar ny handraisanay ny makalioka iray gony (50 kg) raha 150 000 Ar izany tany aloha ».
Tsy lavitra amin’izany koa ny vary hafarana avy any ivelany. Mahatratra 3 100 Ar ny kg, efa nanomboka ny volana aogositra, raha 2 800 Ar tany aloha. Notsorin’i Jah, fa ahiany ny mbola hisondrotan’io vidim-bary io tsikelikely, satria tsy mbola tena ao anatin’ny maitsoahitra isika amin’izao volana oktobra izao. Araka ny antontanisan’ny masoivoho mpanara-maso ny vidim-bary, ny « Observatoire de riz », nanodidina ny 2 100 Ar ny salanisan’ny kilaon’ny vary eto an-toerana ny volana oktobra 2022.

Njaka A.

Partager sur: