Nahatratra 91 dolara ny vidin’ny solika iray barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, omaly 2 oktobra. Tsy nitsaha-niakatra io vidiny io, satria mbola 72 dolara tamin’ny jolay 2023 teo.
Araka ny fantatra eo amin’ny Tsenam-bola iraisam-pirenen’ny angovo (bourse), ny ICE (InterContinental Exchange), ho tafakatra 97,38 dolara ny barila ho an’ny solika ho tonga eo amin’ny tsena, amin’ny novambra 2023, any Eoropa Avaratra (Brent). Efa nahatratra 94,44 dolara kosa ny barila eo amin’ny tsena West Texas Intermediate (WTI), tsena any Etazonia, sambany hatramin’ny aogositra 2022. Izany hoe, efa mananontanona ny 100 dolara ny barila.
Mihena ny vokatra
Fanaon’ny firenena mpamokatra solika ny mampihena ny solika trandrahana rehefa tiany hisondrotra ny vidiny eo amin’ny tsena. Izany hoe, mihena ny tolotra, ary miakatra ho azy ny tinady. Anisan’ny manao izay paikady izay ny firenena mpamokatra matanjaka, toa an’i Arabia Saodita sy Rosia hatramin’ny faran’ity taona 2023 ity. Nilaza koa ny rosiana fa hampihena ny fanondranany solika any ivelany, sady hanondrotra ny hetra amin’ny fanondranana ho an’ireo firenena mpanafatra aminy.
Sahirana ny mpandraharaha
Manoloana ireo, sahiran-tsaina ny mpandraharaha ara-toekarena, satria mampitombo ny tahirin-tsolikany i Etazonia. Satria mifanohitra amin’izany ataon’ny mpamokatra hafa. Nampihena hatrany amin’ny 89,5% ny solika dioviny ireo orinasa mpanadio solika, izay tena mpampiasa solika tsy voadio. Nilaza tamin’ny fampitam-baovao AFP ny mpandraharaha ao amin’ny orinasa Mizuho, i Robert Yawger, fa hampisondrotra ny vidin-tsolika izao tranga izao fa tsy hampihena. Ho an’i Matt Smith, ao amin’ny orinasa Kepler, « tsy mampino ahy ireo tatitra ireo, raha oharina amin’ny zava-misy ».
Njaka Andriantefiarinesy