Fanafihana Cash point : renim-pianakaviana iray maty notifirin’ny jiolahy

Nitrangana fanafihana mpanao Cash point iray indray teny Anosizato Atsinanana, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Teny an-dalana nitsoaka ireo jiolahy no nitifitra renim-pianakaviana iray.

Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray 36 taona manan-janaka efatra, notifirin’ireo jiolahy avy nanafika mpanao Cash point teo Anosizato Atsi­nanana, omaly maraina. Jiola­hy roa nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Efa narahin’izy ireo ny tompon’ilay trano fikirakirana vola ka voaambana basy. Lasa ny vola amina tapitrisa. Nisy nahatsikaritra ireo jiolahy niaraka tamin’ny basy saingy noheverin’ny olona sasany fa hoe mpitandro filaminana ha­nenjika jiolahy. Teny an-dalana nitsoaka nihazo ny tsena ry zalahy no nisy nihorakoraka satria fantatry ny olona hoe jiolahy. Notifirin’ireo jiolahy avy hatrany ity renim-pianakaviana ity mba hanakanana ny dian’ireo mpanenjika avy aoriana.

Nalefa any Tsiafahy
Fa maty tsy tra-drano koa ny mpanao Cash point iray notafihin’ny jiolahy teo akaikin’ny EPP Ambatomaro, ny 9 septambra 2023. Teny an-dalana hody izy no voatafika. Lasan’ ireo mpanafika ny vola 10 tapitrisa Ar niaraka tamin’ny finday valo. Nitohy hatrany ny fikarohana nataon’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Tanà Ville niaraka tamin’ny tobim-paritra Ambo­himanga­kely sy Soama­nan­drariny. Na­hitam-bokany izany satria tratra teny amin’ny manodidina ihany ireo mpanao ratsy (vehivavy telo sy lehilahy dimy). Naha­trarana basy revolver, fanamiana miaramila fampiasa rehefa manao asa ratsy tany amin’izy ireo, niaraka tamin’ny moto tsy nisy taratasy, antsilava ary odiratsy.
Natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy ny 2 oktobra 2023 teo ka naiditra am-ponja eny Tsiafahy sy Antanimora ny jiolahy enina, raha nahazo fahafahana vonjimaika ny olona roa.
Tranombarotra iray hafa koa nisy nanafika teny Ambo­niakondro Ambohijanaka, ny alatsinainy teo. Jiolahy telo nitondra basy no tompon’antoka tamin’ny fanafihana.

J.C

Partager sur: