Fiarahana mamoafady

Samy manao izay mahafalifaly ny fony, ara-bakiteny, ireto mpanao politika. Andaniny, mitohy ny fidinana an-dalambe ataon’ny tsy mankasitraka ilay rafi-pifidianana. Ankilany, manohy ny adiny sy ny lamina anatiny ny kandidà vonona ny hifaninana. Tsy hita fa izay ilay demokrasia ara-bakiteny aminy! Demokrasia misavorovoro anatin’ny fahasamihafana fa manaja ny hodidina maha Malagasy ireo mpisehatra.
Mahavelombolo izany amin’ny mety ho fisorohana ny disadisa arahina herisetra mialoha, mandritra, aorian’ny latsabato sy ny famoahana ny vokatra ofisialy. Hatramin’izao, mahavelombolo ny fizotry ny raharaha satria ny fitokonana sy ny famoriam-bahoaka aloha, tsy mahasarika olona maro. Mazava be ny antony: miharihary ilay fiarahana mamoafady amin’ny samy kandidà. Ireo mpitarika no miezaka mampitovy tadin-dokanga fa ny mpanara-dia kiriko amin’ilay « fiarahana toa sadasada ».
Ireo mpifahavalo sy nifampiavonavona imasom-bahoaka fahiny no indreo mifampisakambina toa mpivady vao, ankehitriny. Maro ny mpanohana no tsy faly satria misary ho fitsinjovana tombontsoa manokana ilay tolona. Tsy resy lahatra amin’ny fahadiovam-pon’ny mpitarika ny ankamaroan’ny olona nanontaniana. Misy amin’ny mpanohana an-dranona no tsy matoky an-dranona. Mifampiahiahy eo ny olon-tsotra izay handatsa-bato ho azy 11 lahy.
Anisan’ny nampanontany tena ny olona tonga teny Ambohijatovo sy Anosikely ny fihetsiky ny mpitarika. Raha nikasa ny hiditra mivantana teny amin’ny kianjan’ny 13 mai ny depiote, nikiry ny nidina tany Mahamasina nanalavi-dalana indray ny filoham-pirenena teo aloha. Ravarava ny fihaonana. Tsy nisy ny ventin’ny hetsika, omaly. Nilaza ny mpitarika fa paikady izany. Miandry ireto « mpitolona » fa tsy sanatria olona « hampiesonina » !

r.r

Partager sur: