Miaraka miombon’antoka ny banky MCB Madagasikara sy ny orinasa MVola, hanandratana ny fifanakalozam-bola, mora, azo ampiasaina ary azo antoka ho an’ny mpanjifa. Tsotra ny fampiasana azy, mitondra fampandrosoana ho an’ny toekarena eto amin’ny firenena, tsy miankina amin’ny ora fisokafan’ny banky, nefa eo no ho eo.
Azon’ny mpanjifan’ny roa tonta atao ny mifanakalo vola, nanomboka ny 14 septambra teo. Dingana vaovao ho an’ny MCB Madagasikara, satria miitatra ny fomba handoavam-bola mihoatra amin’ny mahazatra, amin’ny fikirakirana ny lelavola, ny taratasim-bola (chèques), ny famindrana vola (virement), sns.
Azo ao anatin’ny fotoana tena izy, ny famindram-bola Bank to MVola na MVola to Bank. Maromaro ny tolotra azo ampiasana azy, toy ny «transfert Bank to wallet», ny «transfert Wallet to Bank», ny «Transfert to others», ny fijerena ny kaontim-bola (Consultation de solde), ary ny fijerena ny lanjan’ny vola vahiny (Cours des devises du jour).
Manamafy ny toky omeny ny mpanjifa ny MCB sy ny MVola amin’izao fiaraha-miasa izao.
Njaka A.