INDRAY MIJERY

Nampiofana momba ny fampianarana mifanaraka amin’ny lentam-pahaizan’ny mpianatra ireo mpampiofana. Ny lehiben’ny Zone d’administration pédagogique (Zap) sy ny mpampianatra eo anivon’ny Cisco Manakara, Dren Fitovinany, nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ary haharitra telo andro, izany.
Nozaraina taratasy fifanarahana arakasa ireo mpampianatra nivoaka avy amin’ny Ecole normale supérieure 67, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2023-2024, ny herinandro lasa teo, ho an’ny Cisco Fianarantsoa, Dren Matsiatra Ambony. Nomena “smartphones” ireo talen-tsekoly 167 nahavita fiofanana.
Tao anatin’ny fito taona, nampiofana tanora maherin’ny 4 000 ny Maison familiale rurale (MFR) eo amin’ny sehatry ny fambolena. Tanjona ny hanolotra fanofanana sy ny hamerina ireo tanora niala an-tsekoly ho eo anivon’ny fiarahamonina indray. Hetsiky ny fianakaviana tambanivohitra mivondrona ao anatin’ny fikambanana iray hikarakara ny fanabeazana sy ny fanofanana ny zanany hahomby izy ity.
Kaominina enina eo anivon’ny distrikan’Amboa­­sary, ahitana fianakaviana tena sahirana 1 500, nisitraka fanampiana vary 37 t sy sasany miampy voamaina 15 500 kg ary menaka 3 000 l avy amin’ny fanjakana saodianina hiatrehana ny maitsoahitra. Nizara ny fa­nampiana ny ekipan’ny BNGRC.

Partager sur: