Kitra – D2 Nasionaly : hanomboka anio ny “Poule des As”

Hotanterahina manomboka anio, ao amin’ny kianjan’i Bari­ka­dimy Toamasina, ny andro voalohany amin’ny fifaninanana « Poule des As » D2 Na­sionaly, taranja baolina kitra. Lalao roa no handeha any an-toerana. Hifanandrina voalohany amin’izany ny FC Inate Vakinankaratra sy ny KFCA Diana. Ny fihaonan’ny FC JM Androy sy ny 3FB Alaotra Mangoro ny faharoa.
Tsiahivina fa ny ekipan’ny FC JM Androy no nivoaka voalohany tamin’ny vondrona nisy azy tany Antsirabe raha toa ka faharoa tany Mahajan­ga ny 3FB Alaotra Mangoro. Loham-bondrona tany amin’ny kianja Rabemananjara, Boeny ny KFCA Diana raha toa ka klioba faharoa tany amin’ny tanin’izy ireo ny FC Inate Vakinanka­ratra.
Marihina fa hifandimby hihaona ireo ekipa efatra ireo, ka izay roa voalohany amin’ity fifanintsanana ity ihany no miakatra eo amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” ny taom-pilalaovana 2023-2024. Ny ekipan’ny FC JM Androy, tsy resy mihitsy nandritra ny dingana faharoa notontosaina ny volana septambra lasa teo.
Tsiahivina fa, ny 14 oktobra ho avy izao, eto Antana­na­rivo, hisy ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona ma­lagasin’ny baolina kitra. Miisa dimy ireo kandidà mirotsaka amin’izany.

Fitia

Partager sur: