Raokandro malagasy: fanafody nampiasain’ny Ntaolo, mbola tsy lefy laza hatramin’izao

Fitsaboana amin’ny alalan’ny zavamaniry ny raokandro mala­gasy. Nampiasain’ny Ntaolo ho fanafody nanasitranana ireo aretina maro samihafa teo anivon’ny fiarahamonina ny singa azo avy aminy. Toy ny raviny, ny fakany, ny tahony ary ny vovony.

“Fantatry ny Ntaolo avokoa ny zavamaniry azo ampiasaina sy ny aretina sitrany, araka ny fandinihana lalina sy traikefa nifampita am-bava na an-tsoratra”, hoy ny filohan’ny Fi­kam­banam-pirenena mpitsabo nentim-paharazana eto Ma­dagasikara (ANTM), Andriandrainarivo Josephin Rasamivelona. Nila­za izy fa masina ny zavamaniry iray rehefa alaina amin’ny fo­toana tokony hakana azy sy manaraka ny fombafomba. “Maha­vita zavatra tsy takatry ny sain’ny olombelona mihitsy izany”, hoy hatrany izy. Zava­maniry noraofina tamin’ny tanana, izay mifanaraka amin’ny toetrandro, ny famaritana ny raokandro ara-piforonan-teny, raha ny fanazavana voaray. Misy ireo alaina vaky masoandro, maty ma­soandro, mitataovovonana… Nohamafi­si­ny fa miovaova arakaraka ny toe-tany sy toetr’andro ny he­rin’ny raokandro iray. Ilana olona manana talenta izany rehetra izany mba tsy hanimba ny hasiny.
Efa misy mpitsabo nentim-paharazana 3- 5 isam-pokontany manerana an’i Mada­gasika­ra, raha ny fitsirihana nataon’ny OMS tamin’ny taona 1996. Maha­tratra 13 000 ireo karazan-javamaniry ary hita eto Madagasikara ny 80% amin’izy ireo. Voaisa ho fanafody ny 40% amin’izany. Tafiditra anatin’ny sehatry ny tontolo iainana, ara-pahasa­lamana, kolontsaina ary eo amin’ny soatoavina maha Malagasy ny asan’ny mpitsabo nentim-paharazana. “Ani­san’ny fitaovana entin’izy ireo hitsaboana sy hikolokoloana ny fiainan’ny olona izany”, hoy hatrany ny filohan’ny ANTM. Tsy mifanipaka ny fitsaboana moderina sy ny nentim-paharazana fa samy manana ny tandrify azy ary mifanampy ihany koa.

Talenta
Tsy noratovina fa talenta ny fahaizana mampiasa sy mitsabo amin’ny alalan’ny raokandro. Samy manana ny raokandro nampiasaina kosa ireo faritra samihafa. Ho an’ny faritra Atsinanana, nampiasa ireo ravinkazo mando na lena izy ireo. Ho an’ny faritra Ava­ratra, nampiasa zavamaniry mifanaraka amin’ny toe-tany izy ireo. Nampiasa ny tsilo sy ny zavamaniry antitra kosa ny faritra Atsimo. Tsy nisy porofo siantifika ny fampiasana ny raokandro malagasy fa azo tamin’ny lovantsofina sy fizarana traikefa teo amin’ny Ntaolo ka mbola hita amin’izao fotoana izao. Voa­marina tamin’ny alalan’ny fa­hasitranana azon’ny olona izany. Nanandratra avo ny fitsaboana tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo zavamaniry ireo ny profesora Ratsi­ma­manga Rakoto. Nampiava­ka azy ny raokandro malagasy. Nahafahan’ny Malagasy nitsabo ireo karazan’aretina maro samihafa mihitsy izany. Amin’ ny ankapobeny, Ireo mponina avy any ambanivohitra no tena voataiza amin’ny fampiasana azy ireny. Tsy manatona dokotera raha tsy efa tena aretina goavana.

Be mpanjifa
Misy ireo olona mihevitra fa fanafody gasy na fanompoan-tsampy satria mifanipaka amin’ny finoana na fomba ny karazana raokandro, raha ny fanadihadiana natao. Niha nitombo anefa ny mpanjifa azy io, indrindra tamin’ny fotoanan’ny valanaretina coronavirus teto
amin’ny firenena. Nampiasain’ ny olona tamin’izany, ny rom­ba, mandrava sarotra, kininimpotsy… Notenehina ary nampiasaina natao evoka mba ha­mongorana ny aretina, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Manjifa ny raokandro avokoa ireo karazan’olona samihafa, amin’ny ankapobeny. “Tena mahomby ny fitsaboana amin’
ny raokandro ma­lagasy satria mbola natoraly tanteraka izy ka antony mandrisika azy ireo hividy sy hampiasa izany’’, hoy i Nanou, mpanjifa, monina eto Antananarivo. “Ny fanafody vazaha mihinana vavony, fa ny raokandro ma­lagasy mahasitrana tanteraka ary tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalamana raha mahay mampiasa azy”, hoy i Liva, mpanjifa. “Ny fiovaovan’ny toetr’andro no maha maro ireo karazana aretina misy amin’izao fotoana izao”, hoy ny mpivarotra raokandro etsy amin’ny petite vitesse, Rasoanirina Ranja­manana. Maro ny aretina sitran’ny raokandro eny fa na dia ireo aretina heverina ho tsy sitran’ny dokotera aza.

Manasitrana aretina maro

Maro ireo aretina sitranin’ny raokandro malagasy. Toy ny diabeta, homamiadana, vato, sinusite, mitady zaza… Ankoatra izay, ataon’ny olona fanafody mosavy sy ody lolo ihany koa izany. Ny zavamaniry fanazava, aferontany, ataon’ny olona ody kohoka. Arotsaka anaty rano mangotraka, sotroina maraina, atoandro ary hariva izany. Eo koa ny zavamaniry antsoina hoe tsipipihina. Atao fanafodin’ireo olona tsy mipipy sy folaka izany. Alaina ny tsorany telo dia ampangotrahana amin’ny rano 1 l. Tsy atao very sasaka satria mety hanimba ny voa na ny aty na tsinay raha toa ka mahery loatra ny ranony. Atao rano fisotro avy eo. Eo koa ny ravimazambody, anamamidia, izay ma­ha­sitrana fery. Kininimpotsy, ody tazo. Tenehina avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Fanazava, romba, kininimpotsy, natao ody kohaka sy ody sery. Misy ireo ravinkazo totoina ary ahosotra amin’ny karazana fery. Misy ihany koa ny tenehina ary misy ireo ravina tsakoina.
Marihina fa tsy misaraka amin’ny finoana ny fakana sy fampiasana ny raokandro. Mivavaka amin’ny Nahary ireo olona maka sy mampiasa ny zavamaniry mba hitondra soa sy fahasalamana ho an’ny olona iray tsaboina. “Raha tsy entina am-pinoana ny fanafody ampiasaina dia mety tsy hahasitrana ny olona iray”, hoy hatrany Rasoanirina Ranjamanana.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: