Sombim-baovao

Losc Lille, klioba baolina kitra D1 any France. Anisan’ireo klioba hanatrika ny fifantenana farany, izay hatao eto Antananarivo, ny 27 novambra -2 desambra ho avy izao. Abdenord Belkaci, mpitily ofisialin’ny Losc Lille mihitsy no ho avy eto amintsika. Marihina fa hetsika «  Baolina kitra mahatafita », tetikasan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora izy ity.
Mitohy ihany ny fifindrana mpilalao mankany amin’ny Nosy Seychelles amin’izao fotoana. Ani­san’ireo hiara-kilalao ao amin’ny ekipan’ny Cote d’Or Seychel­les i Hasina sy i Sambatra. Tsiahivina fa lohalaharan’ny Toulon Academy Football teo aloha, i Hasi­na raha toa ka mpanafika fahinin’ny Fosa Junior FC, i Sambatra.
Hotanterahina manomboka anio, any Portu­gal, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ta­ran­ja Judo, sokajy “Junior”, lahy sy vavy. Handray anjara amin’izany i Madagasikara, i Laura Rasoanaivo ho an’ny sokajy vehivavy raha toa ka i Lova Mahaisoa Randrianasolo, ny eo amin’ny sokajy lehilahy.
Araka ny vaovao navoakan’ny Malagasy Rugby, hotontosaina eny amin’ny kianja Makis Ando­hatape­naka ny famaranana ny fifaninanana « XXL Top 20 ». Ny ekipan’ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa, Miaramila, no hifanandrina amin’izany. Tsiahivina fa hanao ny ady toerana izay ho fahatelo, ny USCAR sy ny 3FB.

Partager sur: