Maty tsy tra-drano teo amin’ny boulevard Ratsimilaho Toamasina, ny sabotsy teo, i Stewart, 45 taona, teratany malagasy saingy miaramila frantsay miasa sy monina any frantsa. Tonga manao fialantsasatra miaraka amin’ny fianakaviany efa ho volana vitsivitsy ity miaramila frantsay ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Ny talata 26 septambra 2023 hariva tamin’ny 7 ora sy 30 mn no nitranga ny loza teo amin’ny lalana Ratsimilaho. Nandeha bemoto niaraka tamin’ny lehilahy iray namany izy tamin’io fotoana io. Notrongisin’ny fiara tsy mifidy lalana izy roa lahy niharam-boina ireto ka nianjera tamin’ny arabe avy hatrany. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly saingy tsy avotra intsony ilay miaramila frantsay noho ny fahaverezan-dra be loatra. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly manara-penitra kosa ilay lehilahy nanao taingindroa niaraka taminy. Avy ao Toamasina i Stewart saingy mizaka zom-pirenena frantsay ary efa 20 taona teo ho eo no naha miaramila azy tany frantsa. Rahampitso anefa ny daty voatondro hiverenany any frantsa. Halevina anio, ao Toamasina, kosa anefa ny nofo mangatsiakany. Ny alatsinainy hariva teo, tao amin’ny fokontany Analankininina. Mpivady hamonjy fodiana nandeha posy no notrongisin’ny Bajaj. Samy naratra mafy izy mivady.
Sajo/J.C