TRONDRO NISY POIZINA: olona efatra namoy ny ainy

Olona 4 namoy ny ainy vokatry ny fihinanana trondro nisy poizina tao Tsianisiha, Toliara II, ny 29 septambra teo. Namidy teny an-tsena ireo trondro voapoizina ireo ka nojifain’ny tokantrano vitsivitsy ny alarobia 27 septambra. Olona am-polony nihinana ny trondro. Niteraka tsy fahasalamana ho an’ireo nanjifa izany. Maty ny efatra ary nahatratra 12 ireo nanaraka fitsaboana ny faran’ny herinandro teo. Olona efatra mbola tsaboina eo anivon’ny tobim-pahasalamana, omaly. “Zazalahy ny iray ary olon-dehibe ny telo, amin’izy ireo”, hoy ny loharanom-baovao. Nidina ifotony nanao ny fitsidihana ny marary ny talem-paritry ny jono ao an-toerana. Nangalana singa ary notsirihana manokana ireo trondro nitera-doza. Voama­rina fa nisy fiandolo na gogo tamin’ireo karazany nohanin’ireto tratry ny fahapoizinana ireto. Misy poizina ny tsilo eo amin’ny lamosin’io trondro io ka ahiana ho nahatonga ny loza. Manentana ny fokonolona tsy hihinana trondro tsy fantatra sy tsy mahazatra, indrindra amin’ny fotoana fivadibadihan’ny toetr’andro tahaka izao kosa ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toe-karena manga.

Tsiferana R.

Partager sur: