Miavaka amin’ny famokarana zezika ilaina amin’ny fambolena ny orinasa Export Trading Group (ETG) ao Antetezambaro-Toamasina II. Arakaraka ny filan’ny tany sy ny karazam-bokatra hovolena ny zezika vokarina. Mampiroborobo ny vokatra izy sady afaka mandanjalanja ny filàna ampiasaina.
Sahirana ny fiara taxi-be sy ny mpandeha satria tsy afaka mandalo any Analakely, omaly, vokatry ny fihetsiketsehana ataon’ny mpanao politika. Voatery mivily any amin’ny tonelina Ambanidia, ny fiara avy any Ambohidahy, ary mihodina any Antsakaviro sy Ampandrana. Mitombo ny solika ampiasaina sady lany ny fotoana.
Roa andro izao no tsy afaka mivarotra ireo tranombarotra sy ny mpivarotra ankalamanjana eo Analakely sy ny manodidina. Voatery mikatona ihany koa ny any amin’ny manodidina, raha vao manomboka mipoaka ny entona mandatsa-dranomaso ataon’ny mpitandro filaminana, manaparitaka ny olona.
Tanterahina ao Paris-Porte de Versailles ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ireo matihanina eo amin’ny sehatry ny fizahantany. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ny firenena Malagasy, amin’ny alalan’ireo mpiantseha eto an-toerana, amin’ny fampiroboroboana ny fitsidihana an’i Madagasikara.