Sehatra iray, afaka ifanakalozana sy mampitombo ny fifandraisana eo amin’izao tontolo izao, ny haikanto sy ny kolontsaina. Ankoatry ny fahazoana traikefa sy fahaiza-manao, mampisy sy mampitombo ny firahalahiana sy firaisan-kina ihany koa ireny fifanakalozana ara-kolontsaina sy haikanto ireny.
Tontosa omaly, teny amin’ny Maro Madagasikara Ankorahotra, ny hetsika “Artistic meeting” nokarakarain’ny FySaina. Mpahay kanto maro samihafa avy any Japon sy avy eto Madagasikara no mifanakalo traikefa sy fahaiza-manao ao anatin’izao fihaonana izao. Araka ny nambaran’ny mpandray anjara, tombony lehibe ny fandraisana anjara amin’ny hetsika sahala amin’itony hampitombo ny fahalalàna sy ho fivelarana amin’ny hafa. Tanjon’ny mpikarakara ny hampitombona ny fifandraisana eo amin’ny olona rehetra eo amin’izao tontolo izao.
Haikanto maroloko no nifanakalozana, tao anatin’ny hetsika “Artistic meeting”. Raha tsiahivina, efa nisy ny fivahinianana maharitra nataon’ireto mpahay kanto avy any Japon ireto. Tohin’ny fivahinianana, araka izany, iny seho notanterahina teny Ankorahotra iny. Niaka-tsehatra ho an’ireo mpahay kanto avy any Japon, i Chitose, Yoshino, Rie, ary ny Juco music club. Nanotrona azy ireo tamin’izany ny Malagasy mpiangaly mozika, nahitana an’i Haridio, Milanto, I Bemaso ary Dovs.
Nampiraisin’ny haikanto maro samihafa tokoa ireto mpahay kanto ireto, na dia tsy mitovy fihaviana aza. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, azo lazaina ho tratra ny tanjona amin’ny fampitomboana ny fifandraisana eo amin’ny mponin’izao tontolo izao. Efa nisy hatry ny ela ny fifandraisana teo amin’ny Malagasy sy ny avy any Japon, saingy nifantoka bebe kokoa teo amin’ny lafiny sosialy izany. Miitatra amin’ny lafiny kolontsaina sy haikanto kosa izy ankehitriny ary mbola hitohy amin’ny sehatra hafa.
Lin