Fihazonana an’i Rina R. : nohalavain’ny zandary 24 ora

Nampiana 24 ora indray ny fitazonan’ny zandary eny amin’ ny sampana fikarohana ny he­loka bevava eny Fiada­nana, ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Randriama­sinoro Rina.

Midika izany fa mbola misy fanadihadiana lalindalina kokoa ilaina atao aminy matoa nohalavaina ny fe-potoana ihazonana azy. Na izany aza, efa nilaza ny mpisolovava ity mpitarika ny Tim ity, Randriatefimahefami­joro Eloi, fa tsy mazava ny antony marina nisamborana azy. “Nipetraka soa aman-tsara izy ary tsy tany amin’ny toerana nisehoan’ny savorovoro. Tsy mpitarika ny hetsiky ny kandidà koa nefa nosamborina avy hatrany sy nobedaina”, hoy izy, nampahatsiahy ny tranga niseho ny alatsinainy teo.
Tsiahivina fa efa naneho ny heviny manoloana ity tranga ity ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc fa tena tsy rariny sy tsy mety ny nisamborana ity lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny Tiako i Madagasikara ity.
Araka izany, andrasana ny ho tohin’ny raharaha iray anio.

Synèse R.

Partager sur: