Nivoaka ny didy fisamborana ilay teratany belza, Mirgaux David, mpanolotsaina teknika ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), taorian’ ny fametrahan’olon-tsotra fitoriana teny anivon’ny fampanoavana ao Toamasina. Ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ihany no hanatanteraka izany ka aorian’ny famotorana, tsy maintsy hatolotra ny fampanoavana ny raharaha. Trangan-javatra maromaro no votoatin’ny fiampangana azy. Anisan’izany ny fanamparam-pahefanana amin’ny maha mpanolotsaina ny Seg azy. Manao ny asan’ny zandary OPJ sy ny PJ izy, araka ny fampitam-baovao. Manginy fotsiny ny fisavana taratasina fiara, moto, posy. Ny alatsinainy 2 oktobra 2023 teo, nindrana kisoa lahy an’olona, ny mpiompy kisoa iray fa hampanarahina amin’ny kisoa vavy iray. Niandrasana harivariva izany vao nentina noho ny andro mafana fa haverina amin’ny tompony ihany. Sendra ny fitokonan’ny mpianatry ny Oniversite Barikadimy Toamasina niafara tamin’ny fandorana kodiarana anefa izany. Nisy fandoroana kodiarana sy tora-bato ka nihodina tany amin’ny lalam-pasika ny lalan’izy ireo. Nifanehatra tamin’ity teratany belza ity izy ireo raha nandeha tany amin’ny lalam-pasika. Nijanona tampoka izy ka nisakana ireto mpiompy kisoa. Nisava ny taratasin’ny fiara sy ireo kisoa ity vazaha ity. Nentiny tany amin’ny biraon’ny zandary ireto mpiompy ireto. Tsy nihaino ny fanazavan’ireo mpiompy anefa izy, raha ny fanazavana voaray. Vokany, namoy ny ainy ilay kisoa. Nalahelo, noho izany, ny tompony ka nanao fitarainana teny amin’ny borigadin’ny zandary.
Sajo