Hira evanjelika : manohy ny lalany ny Groupe Heritsaina ZJ

Taona 2000, nanomboka nanajary hira Rakotoarisoa Heritsaina Andry, mpitarika ny Groupe Heritsaina Zanak’i Jesosy na ny Groupe Heri­tsaina ZJ. Taona 2016, nanapa-kevitra izy fa hiditra miandalana ho amin’ny sehatra maha matihanina amin’ny fiangaliana ny hira evanjelika. Teo no namoahany ny kapila mangirana laharana voalohany « Tour-ko’zao » Tombony ho azy ny nilonany an-taonany maro teny anivon’ny antoko mpihira sy ny nitendreny zavamaneno tao am-piangonana…
Manohy ny lalany hatrany ity tarika ity. Ny volana no­vambra ho avy izao, handray anjara amin’ny « Andao hidera tour » izy ireo. Nampanan­tena i Heritsaina fa hitohy ary tsy ho tapaka intsony ny fiakarana an-tsehatra ho an’ny Groupe Heritsaina ZJ. Hipaka hatrany amin’ny distrika sy ny kaominina maro izany ho fanabeazam-boho ny asan’ An­driamanitra raha ny nambarany. Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa rahateo ny tarika.
« Valimbabena ho an’An­driamanitra noho ireo fitahiana ara-nofo sy ara-panahy maro narotsany sy ny mbola hatolony no naharesy lahatra ahy tanteraka hampiasa manontolo ny talenta izay ananako eo amin’ny lafiny famoronana sy fandrindrana hira ary fitendrena zavamaneno ho amin’ny asa fitoriana sy fiderana ary fitaomana ny olombelona ho an’i Kristy », hoy i Heritsaina.

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: