INDRAY MIJERY

Foana ny filazana fampitandremana mahakasika ny hamafin’ny fitsokan’ny rivotra, na izany aza, mbola hahery ny ranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy. Hisy fiakarany misongadina ny maripana amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ary hiitatra tsikelikely amin’ny afovoantany sy ny ilany atsinanana izany.
Ny faritra Atsimo Andrefana amin’izao fotoana izao no ivon’ny fampahafantarana ny tontolon’ny fanamaitsoana sy ireo asa maitso mahavelona. Nosafidina manokana ny faritra satria manana harena voajanahary miavaka miaraka amin’ny fahavononan’ny mpisehatra eo amin’ny rafitra ETFP/DC ilaina amin’ny fanombohana ny hetsika miaro ny tontolo iainana.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny EPP Maromby sy ny EPP Vakoanina, Cisco Ikongo, DREN Fitovinany, izay samy ahitana efitrano fianarana roa, tamin’ity herinandro ity. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ ny Eagle foundation no nahazoana ny fotodrafitrasa vaovao.
Ny taranja ping-pong no namaranana ny fanamarihana ny iray volana maneran-tany iadiana amin’ ny aretina alzheimer, ny faran’ny herinandro teo. 50 no isan’ireo olona nihaona tao amin’ny fikambanana Masoandro Mody niara-nilalao. Taranja iray manampy be dia be amin’ny fanalavirana ireo tranga mety mandrisika ny aretina Alzheimer ny ping-pong.

Partager sur: