Maty momoka!

 

Misary ho maty momoka ny hetsiky ny kandida 11 mi­rahalahy. Mangingina sy variana amin’ny ady hevitra diso toerana ny rehetra. Andaniny, voizina mafy ankehitriny ny resaka karazan-daisoa. Politika anefa no lalaovina fa tsy fifaninana mahandro. Toa mivadika fanabarabarana ny vahoaka malagasy, miandrandra fitoniana ny resaka. Sanatria mandatsa aman-kanina ireto mandry fotsy isan’ andro. Ankilany, averimberina ny resaka “vazaha”. Misy manao sangy ratsy, mamboly fankahalana. Mitady hirika mafy hisian’ny fifampikasihan-tanana arahina fandravana fananana.
Fitiavan-tanindrazana vé no dikan’izany? Asa ré! Miba­ribary ny kajy maloto ataon’olom-bitsy. Tsy mikendry afa-tsy ny tombontsoan’ny tenany na ny mpiray tarika aminy. Entin’ny fitia hamaly faty ilay mpifanandrina amin’ny tena. Soa ihany, tsy adala ny vahoaka. Marina, miaina anaty faharefoana lalina ny Malagasy, saingy tsy azo lalaovina mora foana, tahaka ny taloha intsony. Tsy manaiky hanao­vana fita-bitro intsony. Mitady vahaolana amin’ny endriny vaovao. Mibaribary ny hevi-dratsy sy ny fitaka ataon’ny mpanao politika.
“Sorona” na “lafika ” hangalam-pahefana hatrany ny madi­nika. Indrisy, lasibatry ny zaravilana hatrany rehefa hizara tombontsoa. Manomboka mifoha ny olona ka na izy mangina dia miandry fifidianana na izy io iarahana mahita io: mitazam-potsiny ireo ” mampiesona” azy.
Zava-dehibe ny fitoniana ahafahana manao fihariana. Tsy vahaolana ny fitokanana. Hany lalan-tokana marimaritra iraisan’ny vahoaka amin’ny mpanao politika ny fandehanana mandatsa-bato amin’ny androm-pifidianana. Rehefa tsy izay, ho maty momoka foana izay famoriam-bahoaka handeha eo.

r.r

Partager sur: