TARATRY ny KANTO

“Madajazzcar”. Hetsika maro no hanamarihana ny “Festival International Madajazzcar”. Ho an’ny eto Antananarivo manokana, anisan’ny hetsika tanterahina ao anatin’izany ny “Jazz in Garden”, “ Sunset Jazz on rooftop”, “Jazz funk”… Mpiangaly Jazz manana ny maha izy azy maro no hanafana izany hetsika izany.
“Oeuvres Poétiques de Jacques Rabe­ma­nanjara”. Hisy ny fampahafantarana ny boky ahitana ireo haikanto maro samihafa nataon’i Jacques Rabemananjara, ny 7 oktobra 2023, eny amin’ny IFM Analakely. Fiaraha-miasa teo amin’i Dominique Ra­naivoson sy Elie Ramanankavana no nahatontosan’izao vokatra izao.
« Festival d’Art Urbain ». Seho miavaka no natolotry ny Origins, tao anatin’ny hetsika “Arts&Bio­diversité”. Haikanto maneho ny hakanton’ny valan-javaboahary ao Vohimana no naseho nandritra izany. Raha tsiahivina, hetsika ara-haikanto natao hanentanana ny olona hanaja ny tontolo iainana izao hetsika izao.
Fitsangatsanganana arahina kolontsaina. Eny amin’ny kianja maitson’Alasora, ny 14 oktobra izao, no hanatontosana izany. Mpanakanto maro no hifandimby hiaka-tsehatra : Odeamson, Michel Ango­la, Gasy Miangola, Mbola Rabarivola, Joce sy Hiary, tarika Filah, Solika, Ralanto, Fangia Kalo Gasy… Hisy koa ny fifampizarana sy fifanakalozana traikefa momba ny zavakanto. Fampirantiana momba ny zavamaneno, sns.

Partager sur: