Telotrokin’i Vangaindrano : nanehoana ny fampihavanam-pirenena sy firaisan-kinan’i Toamasina

Tontosa ny faran’ ny herinandro teo ny lanonana ara-drazana nanamasinana sy nametrahana ara-dalàna ireo “Lonaka” na Telo­tro­kin’i Vangain­drano, tany Toa­masina. Nane­hoana ny fampihavanam-pirenena sy firaisan-kina teo amin’ny foko Ante­saka.

Telo mirahalahy ireo voafidy natao ho amin’izany. Ny Lonaka Rabevaha na Aban’i Mbine fantatra amin’ny anarana hoe Jean Piere, Lonaka Zafimanga na Aban’ i Selesy fantatra amin’ny anarana Ndrerago ary ny Lonaka Zafimahavaly na Aban’ i Fosiny fantatra amin’ny anarana Gabriel. Taorian’ny fametrahana tamin’ny toerana maha “lonaka” azy telo mirahalahy ireo. Notokanana ihany koa ny tranobe vaovao sy ny trano fandraisan’olona ary fanaovan-draharaha ara-drazana. Azo lazaina ho firaisan-kina lehibe sy fampihavanam-pirenena matotra ny fanatontosana ny telotrokin’ i Van­gaindrano monina sy mipetraka ao Toamasina.
“Tonga aho sy ny delegasionan’ny birao politikan’ ny antoko Vonjy Iray Tsimivaky, amin’ny maha zanak’i dokotera Razanabahiny Marojama Jerome, izay mpanorina ny antoko, sy olon’ny fiaraha-monina ary anisan’ny taranaka Ampanjaka Antesaka any Vangaindrano”, hoy Razana­bahiny Marie Francette, filoha nasionalin’ny antoko Vonjy Iray Tsimivaky. “Zava-dehibe eto amin’ny firenena ny nahatongavana amin’ izao fampihavanana sy famerenana indray ny hasin’ny telo troky izao, mba ho lavitry ny disadisa”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa ilaina eto amin’ny firenena ny hisian’ny fampihavanana toy izao. Ho an’ny foko Antesaka, anisan’ny mitondra mankany amin’ny lamina ara-drazana sy ara-politika ny fihainoana sy fanarahana ny tenin’ireo Lonaka na Am­panjaka. Afaka mifameno amin’ny mpitondra fanjakana izany mba hisian’ny rafi-piarahamonina lavitry ny ady an-trano sy lonilony ara-piarahamonina.

Olona to teny ho masoivohon’ny Ampanjaka
Amin’ny ankapobeny, la­zai­na ho telotroky ireo nametrahana fahatokisana isaky ny faritra ho masoivohon’ny Am­pan­jaka any Vangain­drano ireo telo lahy ireo. Anisan’ny masimandidy ao amin’ny foko Antesaka, olona to teny tsy azo dikaina izay lazainy ary fakana fanapahan-kevitra ny eo anivon’ny tranobe. Anko­a­tra izay, trano tsy azo hametrahana seza ny trano be. Na toy inona ny voninahitra sy gradin’ny vahiny ao anatiny. Mipetraka ambony gorodona na tsihy dahalo ny rehetra. Amin’ny fotoana hanaovana fankamasinana sy joro ao amin’ny Lonaka telo lahy, faritra tsy azo hakana sary ihany koa izy io.

Mifanindran-dalana amin’ ny faha-20 taona nahafate­san’ny mpanorina ny antoko Vonjy Iray Tsimivaky sy ny faha-50 taona niorenan’ny antoko, ny volana febroary 1973 hatramin’ny 2023 izao. Hosokafana amin’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ny faha-50 taonan’ny antoko Vonjy Iray Tsimivaky.

Hisy diabe hataon’ny ankamaroan’ny Antesaka any Vangain­drano ihany koa mandritra izany.

Hiverina hiantsehatra politika

Hiverina hiantsehatra aorian’ny fanokafana ny faha-50 taona niorenan’ny antoko Vonjy Iray Tsimivaky. Hitety faritra rehetra eto amin’ny firenena ny mpikambana hametraka izay ho birao politika isaky ny faritra. Hiverina hiantsehatra ara-politika amin’ izay ny antoko rehefa vita ireo. “Miombon-kevitra amin’ny FFKM ho mpanelanelana ny antoko Vonjy Iray Tsimivaky, tsy mahasoa ny firenena sy ny rafi-piaraha-monina samy malagasy ny savorovoro”, hoy ny filohan’ny antoko, Razanambahiny Maronjama Marie Francette. Nilaza izy fa mahatonga firaisankina sy fampihavanam-pirenena ny nataon’ny telotrokin’ i Vangaidrano monina sy mipetraka any Toamasina.
Anisan’ny foko be zava-pady indrindra ny Antesaka. Nitrangan’ny savorovoro telo taona lasa ny rafi-piarahamonina teo anivon’ny foko Antesaka tany Toamasina. Maro ny fifampiresahana nifanaovan’ny maro, nandray anjara tamin’ ny fandaminana. Anisan’ny namerina tamin’ny laoniny ny hasin’ny telotroky, Razanambahiny Maronjama Marie Francette. Nisy ihany anefa ireo tsy azo nifimpiresahana ka anisan’ny nanahirana tamin’ny fandaminana. Anisan’ny nahatonga ny savorovoro ny teo anivon’ny raharaham-panjakana sy ara-pitsarana. Nisavoritaka ny telotroky sy fiarahamonina teo amin’ny mpiray fiaviana vokatr’izany. Niitatra tamin’ny “Grand sud” mihitsy izany. Tonga nanatrika ny lanonana ny delegasiona mafonja ahitana ny ara-drazana, notarihan’ny governoram-paritra Atsinanana, Rafidison Richard Theodore. Notronin’ny ben’ny Tanànan’ i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina Herilala. Nisy ny fifanampiana teo amin’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina sy ireo tomponandraikitra samihafa nahavitana ny asa.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: