TSELATRA

Voasambotry ny polisy ilay renim-pianaka­viana namono nahafaty an-janany tao Manga­rivotra, kaominina Antsiranana, afakomaly. Nandaka vilany tampoka io zanany lahy io ka novonoin-dramatoa reniny. Nasesiny tany anaty lavadrano ny fatin-janany ka tsikaritry ny manodidina izany.

Mpandeha telo namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany amin’ny RN6 mampitohy an’Antsiranana, ny 2 oktobra teo. Tsy tana ny ain’ny vehivavy telo tamin’ireo niharan-doza. Nandeha mafy ny fiara ka nivadika tampoka. Nentina notsaboina ny mpandeha sasany izay naratra .

Mpanendaka nitondra antsy naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, omaly. Voasam­botry ny polisy tetsy Mascar, afakomaly alina ilay tontakely. Nifanena tamin’ny mpitandro filaminana tamin’ny misasakalina, nandositra avy hatrany io lehilahy io. Nenjehina ka nahatrarana antsy teny aminy ary efa nigadra indroa izy.

Efa-dahy miampy vehivavy iray voasambotry ny polisy tao Antsiranana, afakomaly. Mpiva­rotra rongony ary manaparitaka izany izy ireo. Ilay vehivavy no mpivarotra raha toa ka mpanjifa
ary mizara izany ho an’ny namany ireo efa-dahy tratra. Rongony anaty harona platsika 11 sy anaty fonosana taratasy maromaro nogiazana.

Partager sur: