Afa-nanohy ny asa fivelomany isan’andro ireo mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina, omaly. Mitaraina noho ny fitokonana lavareny sahady izy ireo noho ny tsy fisian’ny fidiram-bola andavanandro. Betsaka ny vola natontona nividianana entana saingy voabahan’ireo mpitokona ny tsena tokony hivarotana.
Miisa 64 ny Faritra Arovana (AP), tohanan’ny FAPBM (Fikambanana misahana ny faritra arovana sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara), ankehitriny. Tanjona ny hampitomboana izany ho 72 hatramin’ny taona 2026. Avy amin’ny FAPBM ny 30% amin’ny tetibola ampiasain’ireo AP tohanany.
Nahatratra 9,5% ny fidangan’ny vidim-piainana, ny volana jolay 2023 teo. Nahatratra 11,3% izany ny jona 2023. Vinavinan’ny fanjakana ny hitazonana ho 10,5% ny salanisa ankapobeny amin’ity taona 2023 ity. Tsiahivina fa nahatratra 9,3% ny fidangan’ny vidim-piainana tamin’ny taona 2022.
Hetsika nahafahana nampisongadinana ireo mpandraharaha vao misondrotra ao Toamasina ny “Toam’ketrika” andiany fahefatra, natao ny herinandro teo. Nampiranty sy vokatra sy ny fahaiza-manaony ireo mpandraharaha samihafa. Nikararaka ity tsenabe ara-toekarena ity ny ONG St Gabriel sy ny La fabrique des entrepreneurs.