Norobain’ny lehilahy iray ny volan-drafozany haterina any amin’ny banky tao Ambatomirahavavy, omaly. Tsy afa-nandositra izy sy ny namany ka tratran’ny zandary.
Vinantolahy an’ny voaroba ny iray tamin’ireo telo lahy naka ny vola 12 tapitrisa Ar voasambotry ny zandary tao amin’ny fokontany Antanety, kaominina Ambatomirahavavy, omaly. Hanatitra vola any amin’ny banky ny ray aman-drenin’ny vehivavy, tamin’ny 8 ora maraina. Narahin’ny roa lahy nisaron-tava sy vehivavy iray niaraka amin’ ny antsy anefa io nitondra vola io. Norobaina avy hatrany ny vola an-tapitrisany ka nirifatra nandositra ireo olon-dratsy telo. Naharay loharanom-baovao, nanao ny fanadihadiana ny zandary. Nodidin’ny mpitandro filaminana avokoa ny lalàna ahiana hivoahan’ireo mpandroba. Voamarina rahateo fa miafina anaty tamboho misy trano an-dalam-panamboarana ireo naka ny vola. “Nanontaniana ny mpiambina io tanàna io saingy nilaza fa tsy misy olona ao anatin’ny trano”, hoy ny nambaran’ny kaomandin’ny zana-tobim-paritra ao Ambatomirahavavy. Niditra nanamarina izany ireto farany kinanjo tratra niafina tao ambany fandriana ny lehilahy iray niaraka tamin’ny vola.
Karohina ny vadiny
Efa mpamerin-keloka gagilahy ity lehilahy tompon’antoka tamin’ny fandrobana vola niseho tao Ambatomirahavavy ity, araka ny fanamafisan’ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Talohan’izao asa ratsiny izao, efa voasaringotra tamin’ny raharaha maloto hafa izy ary efa namita sazy tany am-ponja. “Nitondra antsy nentina nanao ramatahora ny tompom-bola io lehilahy io”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Tra-tehaka niaraka taminy ny vehivavy iray hafa niaraka tamin’ny mpiambina ilay tanàna nisitrihany. “Karohina ny vadin’io lehilahy io izay niray tsikombakomba taminy sady nanome loharanom-baovao azy”, hoy ny fanamafisan’ ny zandarimaria Ambatomirahavavy. Naverina amin’ny tompony ny vola rehetra ary hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana ireo olona telo ireo.
Tsiferana R.