Nanao lahateny ny tale jeneraly (DG) ny Airtel, ny Dr. Segun Ogunsanya, mifanandrify amin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpampianatra, omaly 5 oktobra. Nambarany fa misy rohy mifandray daholo ny ankizy, ny ray aman-dreny, ny mpanabe, ny fanjakana, ny mpanoratra boky ary ny mpikaroka mikasika ny niomerika, ankehitriny. Manana ny lanjany ny mpanabe aty Afrika sy maneran-tany, indrindra ireo manao ny asany an-kitsim-po na tsy ampy aza ny karamany. « Any an-danitra ny valim-pitia anareo », hoy ihany izy.
Mitentina 57 tapitrisa dolara ny fiaraha-miasan’ny Airtel Afrika sy ny Unicef. Manampy ny sekoly sy ny mpianatra, mampiofana ny mpampianatra amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Mahatratra 2 500 ny mpampianatra niofana hampifandraisana tambajotra sekoly miisa 50 tany Tanzania. Nomena ordinatera anaty birao sy entin-tanana, tablety, televiziona, sns.
Lafiny tsara ny Covid-19
Nisy lafiny tsara ny tranga Covid-19, nampivoatra ny fifandraisan-davitra satria nampitain-davitra ny fampianarana, nampiasana ny niomerika taty Afrika. Araka ny antontanisan’ny Banky iraisam-pirenena, ny 1/10-n’ny ankizy afrikanina (latsaky ny 10 taona) ihany no mahafehy ny kajy fototra. Mila mpampianatra tsara hofana, manana finiavana ny hamadihana io. Nahazoana vokatra tsara ny ezaky ny Airtel tany Nizeria, Kenya, Rwanda, Malawi ary Madagasikara, hoy ihany ny DG, ny Dr. Segun Ogunsanya.
Njaka A.