Ankehitriny, maro be ireo sokajiana ao anatin’ny valaben’ny soratra. Ao ireo vantanina amin’ny anarana hoe «mpanoratra», misy koa ny ambara fa «poeta». Iraisan’ireo ny fandraisana penina, fanoratana ambony taratasy ary ny famoahana izany ho an’ny mpamaky.
Anisan’ny mahavariana kosa ny fitomboan’ny isan’ny mpanoratra sy poeta amin’izao vanim-potoana izao. Midika ho fandrosoana sy fivelaran’ny asa soratra izy ireny, raha atao indray mijery. Tanora, 12 taona, ankehitriny, efa manana sanganasa, maro ! Tsy vitsy amin’ireny no hita any anaty tambajotran-tserasera.
Vitsy dia vitsy ny manoratra tantara foronina. Vitsy ihany koa ireo manoratra tantara filalao eny an-tsehatra (teatra). Raha ny fanazavan’i Eric Ravalisoa, mpanoratra, «sady mandany fotoana no sarotra kokoa satria mila fikarohana lalindalina ny fanoratana tantara foronina ka izany no mahatonga azy io ho vitsy». Tranga mila fanarenana, satria, raha mitohy mety tsy hanana tantara vaovao intsony ny tontolon’ny soratra malagasy.
HaRy Razafindrakoto