FANTINA sy FINTINA

Tsy maintsy mandeha sy hisy ny fifidianana, araka ny nambaran’ny dipiote IRD, Raholdina Naivo. Tsy azo ampitahorina sy ranitina lava intsony izy ireo, ary ho azo amin’ny fihantsiana. Tany sy fanjakana misy lalàna eto, ary aleo hipetraka amin’ny mpitandro filaminana ny amin’izany. Aleo ireo mpanohitra ho variana sy ho lany andro amin’ny fivoriana etsy sy eroa.
Fahaiza-mitantana sisa no antenaina amin’ireo mpitandro filaminana, araka ny nambaran’ny Jly Tsaranazy Jean Emile. “Tokony ho matihanina kokoa izy ireo ary fotoana izao ilana mpitandro filaminana”, hoy izy manoloana ny fitondran’ny vondrona kandidà olona hidina eny amin’ny kianjan’ny 13 mey, Analakely.
Tsy afa-kihambo hahavita hanova ny fiainam-pirenena ireo kandidà 11, araka ny nambaran’ny filo­han’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. Mila so­ka­fana amin’ny hery velona eto amin’ny firenena ny adihevitra. Mba haha­zoana mitady vahaolana miaraka ho an’ny firenena izany. Misy ny antoko mijoro izay tsy nandrotsaka kandidà noho ny antony samihafa.
Hitohy, anio indray ny hetsika hataon’ny Vondron’ireo kandidà raha tsy misy ny fiovana. Nanka­sitrahan’izy ireo ny vahoaka nanaraka ny diabe, niaraka amin’ny “Chou fleur” sy ny akanjo fotsy omaly, niainga teo Ampefiloha hatreny Andavamamba. Tsy nisy ny saka­na nataon’ny mpitandro filaminana. Tsy mbola tazana kosa R. Brunelle sy R. Siteny.

Partager sur: