INDRAY MIJERY

Nisokatra tamin’ity herinadro ity ny fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny fitantanana ny tetikasa mitondra fivoarana (Mapi), andiany faharoa, miaraka amin’ny Université Senghor, karakarain’ny sekoly ambony Iscam. Tanjon’ny fandaharanasa ny fanofanana ireo olona ho mpitarika tetikasa mitondra fanovana ho an’ny fiarahamonina sy ny fihariana.

Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpianatra sangany tamin’ny fanadinam-panjakana nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2023-2024 ho an’ny sekoly katolika eo anivon’ny DREN Analanjirofo tamin’ity herinandro ity. Notoloran’ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Analanjirofo simenitra 1t miaraka amin’ny tafo fanitso miisa 100 ny sekoly.

Nanainga indray ireo fiarabe hampanakaiky ny tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ny faritra Avaratra (RN6) ary ny faritra Atsimo (RN7) sy Atsimo Atsinanana (RN 12). Tafiditra amin’ny hetsika « caravane médicale » izao ary faradoboka amin’ity taona ity. Hisy ny fizaham-pahasalamana, fitarafana sy fitiliana samihafa miaraka amin’ny torohevitra ara-pahasalamana…

Afaka nanohy ny asany ireo mpivarotra isaky ny alakamisy eny Mahamasina, omaly. Hita fa vitivitsy ihany ny mpividy tonga teny an-toerana noho ny tahotra savorovoro. Nalalaka koa ny fifamoivoizana ny tapany maraina. Lasa mitaintaina ny vahoaka satria mikorontana hatramin’ny fifamoivoizana sy ny lalan’ny taxi-be rehefa mihidy ny lalana eo amin’ny araben’ny Faha­leovan­tena.

Partager sur: