Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray. Lehilahy roa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Karohina kosa ny mpandeha iray, nanindrona antsy azy ireo tao anaty taksiborosy.
Lehilahy mpandeha tao anaty taksiborosy nandehanany ihany no namono nahafaty ny ramatoa iray tao Talatamaty, Fianarantsoa, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 5 oktobra teo. « Salama saina tsara ary toy ny mpandeha rehetra io lehilahy nahavanon-doza io », araka ny nambaran’ny kaomiseran’ny polisy centrale ao Fianarantsoa. Tsy nampoizin’ny mpandeha niaraka fiara taminy tampoka anefa ny fihetsiny teo am-piaingana hihazo an’i Manakara. Namoaka antsy tany aminy, nolerany antsy ilay ramatoa 59 taona. Trobaka ny tendan’io lasibatra izay nipetraka tao amin’ny seza aorian’ilay namono io. Niezaka niaro ilay vehivavy ireo mpiara-dia tamin’izy ireo. “Naratra ny olona roa hafa niaro ilay renim-pianakaviana”, hoy hatrany ny fanamafisan’ny polisy. Nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly Tambohobe ireo telo naratra. Tsy tanà ny ain’ilay ramatoa voa teo amin’ ny tendany.
Atao hazalambo
Poa toy izay, nitsoaka nivoaka ilay lehilahy nahavanon-doza. “Tsy hita soritra ny nandehanany. Eo am-pikarohana azy ny manam-pahefana amin’izao fotoana”, hoy ny kaomisera ny polisy misahana ny raharaha ao an-toerana. Araka ny loharanom-baovao, avy any Ranotsara Atsimo io tovolahy io. Nikasa hiara-dia tamin’ireo mpandeha tao anaty taksiborosy ireo izy izao namoa-doza tampoka izao. Natolotra ny fianakaviany kosa ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy. Efa manaraka fitsaboana ireo naratra.
Tsiferana R.