Kianja synthétique: miroborobo ary mahasarika tanora maro ny mampiasa azy

Betsaka ny kianja synthétique mitsangana eto amin’ny Nosy amin’izao fotoana izao. Ahitana izany avokoa ny faritra maro sa­mihafa, indrindra ny eny amin’ny faritra iva, raha ho an’ny eto An­tananarivo Reni­vohitra.

Ahitana tanora maro milalao baolina foana isan’ andro amin’ireny kianja synthétique ireny, raha ny fanadihadiana natao. Vanim-potoana mahabetsaka ny mpilalao ny fotoanan’ny orana na ny fahavaratra. Milalao eny avokoa na ny ankizy na ny tanora na ny lehibe, raha ny fanazavana voaray. «Feno rano avokoa ny tanimbary, tany malalaka, filalaovan’ny ankizy sy tanora baolina eny anivon’ny tanàna sy eny anelakela-trano rehetra eny ka antony mahatonga azy ireo hilalao eny amin’ny kianja synthétique», hoy i Lalaina Sylvia, tomponandraikitra iray eo anivon’ny RMD, kianja synthétique etsy Anosizato. Amin’ny ankapobeny, ahitana ekipa 10 isan’andro eo ny mpilalao amin’ireny, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny kianja RMD hatrany.
Ho an’ny etsy Anosizato manokana, ahitana kianja dimy eny an-toerana tao anatin’ny 2 taona izay, raha ny fanadihadiana natao. Nanom­boka nisy kianja manara-penitra teny an-toerana nanomboka ny taona 2021. Nitsangana voalohany, ny kianja RMD. “Ny fitiavana hampiroborobo ny sehatry ny fanatanjahantena sy ny tontolon’ny baolina kitra no antony nananganana ny kianja”, hoy ny tomponandraikitra, Lalaina Sylvia. An­koatra izay, hisorohana ny ankizy sy ny tanora amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ihany koa.
Faritra iray, maro mpisafidy ny eny an-toerana satria tsy lavitry ny renivohitra Antananarivo, raha ny fanadihadiana natao. Zakan’ny rehetra ihany koa ny hofan-toerana. Amin’ny ankapobeny, mahavita milalao intelo na indroa isan-kerinandro ny klioba iray, raha manambola. “Fampirisihana sy fanofanana ary fanatanjahantena ho an’
ireo ekipa ny anton’izany”, hoy kosa i Njaka, mpilalao iray eo anivon’ny klioba iray. Sabotsy na alahady kosa izany, ho an’ny ekipa sasany.

Miavaka ny kianja
Samy hafa ny kalitaon’ny kianja synthétique sy ny kianja tany na bozaka natoraly. “Efa vita mahitsy tsara ny kianja synthetique raha oharina amin’ny kianja tsotra. Mbola ahitana midongona, misy fasika na ahitana vatokely… Indraindray eny ambony kianja tsy synthétique”, hoy hatrany Lalaina Sylvia, tomponandraikitra iray eo anivon’ny RMD, kianja synthétique etsy Anosizato. “Mahafapo,mampatanjaka ary tsy mandoto ny filalaovana ambony kianja synthétique”, hoy i Nirina, tanora mpilalao baolina kitra. “Ankoatra izay, mampahazo aina sy mampatanjaka ary mampazoto ihany koa ny filalaovana amin’ireny”, hoy i Heriniaina, tanora mpilala baolina. Nilaza izy fa afaka mivoaka rehefa reraka, afaka mifanolo matetika ihany koa ny ekipa eny ambony kianja. Nohamafisiny hatrany fa rehefa zatra milalao eny ambony kianja synthétique dia mora hoazy ny manao ny jeux à 11. Misy ny kiraro natokana ho an’ny mpilalao baolina eny ambonin’ny kianja synthétique. Tsy azo asiana “crampons” ny “godasse” anaovan’
ireo mpilalao. Tokony hanao aron’akanjo ihany koa ny mpilalao mba hahasamihafan’ny ekipa mpifanandrina. Marihina fa mirefy eo amin’ny 105x60m eo ny kianja synthétique
amin’ny ankapobeny, raha jeux à 11.

Mila kolokoloina hatrany ny kianja 

Misy fikolokoloana tsy maintsy atao ny kianja synthétique. Indray mandeha na indroa isam-bolana izany, mba tsy hahamora simba ny kianja, hoy ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny RMD Anosizato, Lalaina Sylvia. Anisan’ny fikarakarana tsy maintsy atao ny fandrarahana caoutchouc eny amin’ny kianja. Hamarinina tsara ihany koa ny kianja sao misy miainga. Apetaka amin’ny lakaoly manokana izany mba tsy hahasimba ny kianja vetivety. Ovaina intelo isan-taona ihany koa ny fillet manodidina ny kianja. Mba hiarovana ny baolina tsy ho any amin’ny tanànan’olona. Ankoatra izay, tondrahana ihany koa ny bozaka na dia artifisialy aza, mba hiarovana azy bebe kokoa. Ankoatra izay, tsy maintsy kolokoloina isan’andro ny kianja. Anisan’izany, ny fanadiovana, ny fitsofana, ny fikosehana azy.
Ny fanatanjahantena izay tsy mbola handraisam-bolabe raha eto Madagasikara. Tokony hahafahan’ny tanora mitrandraka ny talentany maro. Misy tombontsoa raisina rehefa rahatrizay, ao anatin’ny fanaovana fanatanjahantena sy fitiavana ny baolina. Tsy midika izany, fa atao antsirambina ny fianarana fa mila miara-miasa ny fianarana sy ny fanatanjahantena. «Maha tafita ny fanaovana izany raha mahay mampiaraka ireo ny ankizy sy ny tanora iray», hoy hatrany i Lalaina Sylvia.

Nanatontosa : Mino
Sary nomena

Partager sur: