« Madajazzcar 2023 »: toerana maro no hisy seho anio

Taorian’ny fanokafana ny andiany faha-34, omaly, tetsy amin’ny IFM Analakely sy tany Antsirabe. Toerana maro no hanatanterahina ny seho tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny “Festival International Madajazzcar”, androany. Ha­nomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny eny amin’ny Orchidées Blanches Androhibe, ahitana an’i Tahiry Andriamanoro Trio (Tahiry Andriamanoro, Rado Andria­manantena ary i Fetranirina Andriamazoto). Hanomboka amin’ny 7 ora hariva ny etsy amin’ny IFM Analakely. Hitondra ny traikefany ny Festen avy any Frantsa. Amin’ny 8 ora sy sasany, eny amin’ny Fara West Faravohitra, ny tarika Vatsiahy Ravaloson Trio (Vatsiahy, San­dratra Andria, Mahefa Ra­miandrisoa). Amin’ny 8 ora sy sasany ihany, eny amin’ny Ibis Ankorondrano, hiaka-tsehatra ry zareo Sunny Side Quartet (Frank Basile, Fabien Mary, Laurent Marode ary i Paul Morvan). Hanomboka amin’io ora io ihany, ao amin’ny Ra-disson Blu, ireo andrarezin’ny jazz ao anatin’ny Brigitte Rakoto­malala Quartet, izay ahitana azy sy Samy andriamanoro, Roger Zafera ary i Tahiry Andria­manoro.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: