Mbola mihenjan-droa ny tady eo amin’ny samy mpisehatra politika eto Madagasikara, mandraka izao. Mazava ny lalan-kizorana ho an’ny mpitondra. Tsy maintsy tohizana amin’ny fomba rehetra, indrindra amin’ny fifidianana ny fahefana efa azo nandritra ny dimy taona. Anatin’ny fanomanana ny fampielezan-kevitra tanteraka ny ekipan’ny laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Manomboka mametrapetraka ny ekipa manerana ny lafivalon’ny Nosy izy ireo.
Iaraha-mahalala ny toerana misy ny kandidà sasany. Misy ny manao vazaha mody miady fotsiny. Manomana ny kianja hidirana sy hiketrahana ny hahazoana fanjakana amin’ny fifidianana ihany koa. Tsy manao amboletra tahaka ny hafa fa misoko mangina toa ron-gisa. Efa vita ny fanamiana hozaraina sy ny hira faneva. Tsy manana eritreritra ny tsy hanao fifidianana velively. Miseho ho mpampihavana sy mivoy fitoniana ihany koa ka tsy tazantazana, miaraka amin’iretsy namany intsony.
Raha atao indray mijery ny raharaham-pirenena, ilay fifidianana ihany no vahaolana tokana ahafahana mametraka fampandrosoana sy mamaha ny disadisa misy ankehitriny. Tsy misy mahazo tombony amin’ny korontana sy ny savorovoro. Tsy maintsy manambatra ny hery ho amin’ny fanohizam-pahefanana demokratika ny hery velona rehetra eto Madagasikara. Tsy ampy ny hambompo diso toerana fa tsy maintsy miara-mientana ny sarambabem-bahoaka.
Tsy ny vahiny velively, izay misintona ny lakolosy mandeha miankavia sy havanana io no afaka ny hitondra fahagagana ho an’i Madagasikara.
Efa kofona ny vahoaka, sempotra ilay firenena, ka vahaolana haingana kanefa mahomby no andrasany. Raha vazo mitovy ve dia hita rano? « Tano ny azo fa sarotra ny mila », hoy ny fomba fiteny mahazatra. Asa, hanao ahoana izy ity ? Samy miandry izay havoakan’ity faran’ny herinandro ity…mialoha ny fampielezan-kevitra.
r.r