Tanterahina any Toamasina, ny 16 hatramin’ny 22 oktobra 2023, ny fifaninanana “Nofy maitso”, “Slam poèsie” mifototra amin’ny tontolo iainana.
Efa mandeha ny fifantenana isam-paritany amin’izao fotoana izao, ary izay mandresy isaky ny faritany no miatrika ny fifanintsanana nasionaly. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanentanana ny olona, indrindra ny tanora, amin’ny fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana.
Ambohipihaonan’ny mpiangaly “Slam poèsie” indray Toamasina. Hifantina ny solontenany indray ny isa-paritany. Ny fitsipika sy lalàna mihatra isaky ny fifaninanana “Slam poèsie” rehetra ihany no hihatra ao anatin’ity fifaninanana ity. Jerena manokana kosa ny fiseharan’ny mpandray anjara eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, izany hoe, manentana ny olona rehetra hikajy sy hiaro ny tontolo iainana. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, ankoatra ny fampialana voly. Mitondra fanabeazana sy fahalalana ihany koa ny “Slam Poèsie”. “Tsy afaka hijery fotsiny ny zava-misy eo amin’ny tontolo iainana ny mpiangaly “Slam”. Izany indrindra no antony nanohizana ny hetsika “Nofy maitso”, mba ho fantsona hanetanana ny olona hiaro sy hikajy ny tontolo manodidina azy.
Tsiahivina fa roa isaky ny faritany no miatrika ny fifaninanana nasionaly. Ho an’ny faritanin’Antananarivo manokana, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft ) Andavamamba, no hanaovana ny fifantenana izay roa hisolontena ity faritany ity.
Lin