VAOVAO TAMBATRA

Mandray ny drakaka nampangatsiahana avy eto amintsika i Eoropa sy Sina, raha mandray ireo velo­na kosa i Etazonia, Dobai ary Sina. Tamin’ity taona ity, manodidina ny 140 ireo olona nahazo alalana hanangom-bokatra raha maherin’ny 30 isa kosa ireo mpanondrana ny vokatra avy amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga.

Hahitsy ny paikady hiatrehana ny loza voajanahary. Mpikambana tao anatin’ny rafitra iombanan’i Afrika amin’ny fitantanana ny ambana (ARC) i Mada­gasikara, nanomboka ny taona 2019. Hitohy izany ho an’ny taona 2023-2024, iarahana amin’ny ONG Start Network, amin’ny fanampiana ara-tsakafo ny marefo, niharan’ny loza voajanahary.

Hiditra amin’ny taom-piotazana jirofo tsy ho ela ny faritra Atsimo Atsinanana. Manara-maso akaiky ny kalitaom-bokatra ny tomponandraikitra any an-toerana. Misy ny fampanarahan-dalàn napetraka, toy ny fanomezana fankatoavana ny fitehirizam-bokatra, niaraka amin’ny fanamarinana ny fitaovam-pandanjana ampiasain’ireo mpanangom-bokatra.

Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana, amin’ny fanafarana ny akora ilain’ny Trano printim-pirenena. Ho hampiasaina amin’ny fanontana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fifidianana ho avy izao ireo akora ireo.

Partager sur: