Atsimo Atsinanana : hamokatra kafe 11 t isan-taona

Hamerina indray ny kalitaon’ny kafe ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano sy hampiakatra ny rojom-pihariana ary hanome lanja ny famokarana ka hampitombo ny taham-bokatra ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Ireo no tanjona napetraky ny fandaharanasa DEFIS izay vatsian’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho fampiroboroboana ny fambolena (FIDA) tamin’ny fanorenana ny toeram-panangonana sy mpanodina kafe Robusta ao Vohitrambo, faritra Atsimo Atsinanana. Manodidina ny 11 t ny vokatra andrasana isaky ny taom-pambolena amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa. Miisa 52 ireo mpisi­traka hahazo tombontsoa amin’ny famokarana tantanam-
pianakaviana. Ankehitriny, vita tanteraka ny asa rehetra, nahazo fampitaovana ihany koa ny trano ka afaka manomboka asa avy hatrany. Hahazo kafe tsara kalitao sy voafantina ireo tantsaha ao an-toerana. Tonga nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny fotodrafitrasa ny talen’ny kabinetran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Rasoanaivo Jocelyn sy ny governoran’ny faritra Atsimo Atsinanana ary ireo tomponandraikitra samihafa, ny alakamisy teo.

Henintsoa Hani

Partager sur: