Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena, ny 4 oktobra teo, fa manjavozavo ny vinavina fitomboan-karena aty Afrika amin’ity taona 2023 ity. Anisan’ny antony ny tsy fisian’ny toekarena marin-toerana, miampy ny zava-misy maneran-tany, miantraika aty Afrika.
Taorian’ny tranga Covid-19, efa niarina kely ny toekarena aty Afrika, nahatratra 3,6% ny salanisan’ ny fitomboan-karena. Araka ny tombana navoakan’ny fampahalalam-baovao Africa’s Pulse an’ny Banky iraisam-pirenena (BM) anefa, hihena ho 2,5% izany amin’ity taona 2023
ity. Zara raha hiakatra, 0,5%, ny fitombon’ny harinkarena faobe, na Vokatra anatiny ankapobeny (PIB) amin’ity taona ity. Anisan’ny sehatra tena voadona ny angovo sy ny fitaterana. Singanina amin’izany ireo firenena tena mpamokatra solika aty Afrika, toa an’i Nizeria, izay ho 2,9 % ny fitomboan-kareny ary ho 1,3% ny an’i Angola. Mahatonga izany ny fihenan’ny varotra solika sy ny varotra ankapobeny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Satria, mitombo ny korontana any amin’ny firenena maro aty Afrika ka mihena ny fihariana ara-toekarena. Zara raha ny 12% amin’ny fihariana ara-toekarena monja no mihodina any Soudan, vokatry ny ady an-trano.
Zara raha 0,1% ny fitomboan-karena isam-batan’ olona
Araka ity tatitry ny Banky iraisam-pirenena ity ihany, Tsy nivoatra mihitsy ny fitomboan-karena isam-batan’olona aty Afrika hatramin’ny taona 2015. Zara raha 0,1% ny fitomboan-karena isam-batan’ olona ato anatin’ny 10 taona (2015-2025). Tsapa ny fitotongan’ny vidin’ny akora fototra, ny taona 2014 sy 2015.
Nilaza ny mpahay toekarena aty Afrika ao amin’ny BM, Andrew Dabalen, fa « ny fianakaviana tena mahantra sy marefo no tena iantraikan’izao fihemoran’ny toekarena izao. Vokany, kely ny asa miforona, izay mahatratra 12 tapitrisa ny tanora mitady asa aty Afrika ».
Tsiahivina fa araka ny antontanisan’ny Instat, manodidina ny 500 000 isan-taona ny tanora malagasy mitady asa eto Madagasikara.
Njaka Andriantefiarinesy