Fanohanana ny zavakanto: nahazo ivontoerana Tosik’Art i Sambava

Ivontoeram-pikotrehana orinasa misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina na “Centre d’incubation en en­treupreunariat culturel et industria créative” ny To­sik’Art. Nahazo fotodrafitrasa vaovao handray izany ny ao Sambava, izay notokanana ny alakamisy lasa teo. Ivontoerana hampiofanana ireo tanora manana vina famoronana eo amin’ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina izy ity, ka efa misy 20 ireo mpiofana mandrafitra ny andiany voalohany , ao amin’ny faritra Sava.
“Tetikasa nahitam-bokatra sy azo tsapain-tanana ny Tosik’art, ka tombony hoan’ireo tanora eto amin’ny faritra Sava ny misitraka izany”, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, izay nidina tany an-toerana.
Marolafy ny taranja iofanana, manomboka amin’ny fitantanana orinasa sy ny fandraharahana ankapobeny, ny haitarika, ny fampivoarana ny maha izy azy ny tsirairay ary ny antsipirian’ireo sehatrasa manodidina ny zavakanto sy ny kolontsaina.
Notolorana ny mariboninahitry ny kanto ihany koa ireo mpanakanto mendrika, avy ao amin’ny faritra Sava. Efatra nosalorana ny “Commandeur de l’ordre des arts, des lettres et de la culture, ahitana an’i Joma Alexandre, Ton Dezy de Vohémar, Jao 3 As ary i Gérard Tsapalôko. Telo hafa kosa nahazo ny « Officier » ary 2 ny « Chevalier ».

Zo ny Aina

Partager sur: