Niantso ny tsy hampiasana herisetra ny filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa Christine, omaly, teny Tanjombato. Avy any Bruxelles ny tenany ary nanazava ny toe-draharaha tamin’ny Vondrona eoropeanina. Niaiky izy fa tena mafana ny raharaha. “Tokony ho hita ny fitoniana. Aoka hifanaja amin’ny zo fototra sy tsy hampiasa hery… Samy handinika ka samy ho tonga saina ho an’ny tanindrazana”, hoy izy.
Hitohy, anio, ny hetsiky ny kandidà 11. Nentanina hiakanjo fotsy ny rehetra… Tsiahivina fa nanao diabe, niainga teo amin’ny Rasalama izy ireo. Nihazo an’Andravoahangy ary nifarana teo Ankorondrano. Nilamina izany ary anisan’ny teny an-toerana ny kandidà Siteny raha tsy hita kosa R. Brunelle. Nisy koa anefa ny siotsioka teny Ambodivona sady nitaky fifidianana.
Hametra-pialana amin’ny maha minisitra azy, i Lalatiana Rakotondrazafy, ny alatsinainy izao, araka ny nambarany tamin’ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono TVM/RNM”, omaly. Nambarany fa fanajana ny lalàna izany ka hifantoka amin’ny fampielezan-kevitra ny tenany. “Hisy ny fifidianana ary ho tonga ny biletà tokana”, hoy izy.
Misy lalàna mifehy eto, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy, omaly, teny Faravohitra: «Ny firosoana amin’ny fifidianana no hany lalana tokana miditra anatin’ny ara-dalàna ary fanajana ny Lalàmpanorenana», hoy izy. Na izany aza, nanteriny fa misy lalàna mifehy ny famoriam-bahoaka na anaty fampielezan-kevitra aza.