Fitiavana ! Tsy noresahin’ny Malagasy loatra fahiny… Tsy ho ela, hamoaka ny mety ho endrik’io fitiavana io amin’ny fotoana mampiredareda azy ny mpanoratra roa : Andriamady Ny Aro na Ny Aro Kely sy Ny Anjaniaina Harimanantsoa Zo Nanouchah na Zo Nanouchah eo amin’ny tontolon’ny asa soratra.
Hivoaka ny sabotsy 14 oktobra ho avy izao, ao amin’ny IKM Antsahavola ny boky « Eo imolotrao ». Amboaran-tononkalo hanaposahan’ny mpanoratra ny fahatsapana anaty eo amin’ny mpifamofo. Amboaran-tononkalo erotika, raha eo amin’ny tontolon’ny soratra. Boky mitondra fanentanana ho an’ireo tanora tsy hiroso aloha loatra ao anatin’ny tontolon’ny filàna ara-nofo izay miha mahazo vahana eny amin’ny fiarahamonina.
Ny Aro Kely, enina taona nanoratana. poeta sy mpiangaly Slam. Anisan’ny tara-kevitra voiziny ny fitiavana, fiaraha-monina. Miompana kokoa ny tononkalo erotika. Zo Nanouchah, nanomboka nanoratra ny taona 2016, Mpanoratra (sombin-tantara, tantara foronina), poeta mirona amin’ny foto-kevitra « symbolisme » sy « érotisme ».
HaRy Razafindrakoto