Misy fotoana, mihinana ireo vokatra tsy fihinana mahazatra hatao sakafo ny mponina any Farafangana sy Vangaindrano. Matetika anefa ilana fikarakarana manokana izany vao azo hohanina. Rehefa voatery mindram-bola ny fianakaviana, atao antoka matetika ny tany ka lasan’ny mpampanjana-bola ny vokatra ary mety hiafara amin’ny fangalany ny tany mihitsy rehefa tsy voaefa ny trosa.
Hanao hetsika mifandraika amin’ny fanamarihana ny iray volana iadiana amin’ny homamiadana mpahazo ny vehivavy, “octobre rose” ny Firenena mikambana. Mitohy ny hetsiky ny Fondation Akbaraly, manao fitiliana maimampoana ho an’ny vehivavy rehetra mandritra ity volana oktobra ity, eny amin’ny Centre Kintana Ambatomena.
Nitohy tao amin’ny distrikan’i Mananjary ny dian’ny kamiaobe nitondra tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka. Nahatratra 3 448 ny olona nisitraka ny tolotra ary 10 344 ireo voaentana momba ny torohevitra ara-pahasalamana sy ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Nisy koa ny fitarafana sy fizarana vitamine A ary fanaovam-baksiny ho an’ny ankizy.