Niditra an-tsehatra, omaly, ny solontena malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, taranja Judo. Niatrika izany voalohany, Randrianasolo Lova Mahaisoa.
Teo amin’ny fihodinana voalohany no resy nanoloana ny mpifanandrina taminy, sokajy latsaky ny 73 kg, lehilahy, ny solontena malagasy, Randrianasolo Lova Mahaisoa. Mpifanandrina anisan’ny tena nahery ka tsy nahafa-bela ity Malagasy Judokas ity ry Neil Adams sy ry Jimmy Pedro. Na dia teo aza anefa ny faharesena azon’i Lova, tsy very maina ny ezaka nataony satria traikefa lehibe no azony tamin’ity fiadiana ny tompondaka eran-tany, natao tany Portugal ity, nanomboka ny 4 oktobra teo. Nahafahany nanatsara ny teknika sy naka lesona ny fifaninanana natrehany. Anisan’ny niakatra an-tsehatra, omaly alina ihany koa, ny solontenan’ny Malagasy iray, Rasoanaivo Razafy Laura, sokajy latsaky ny 70 kg. Tsy mbola voaray kosa ny vokatra ho an’i Laura hatramin’ny ora nanoratanay, saingy hotaterina eto hatrany rehefa tonga eto am-pelantanana. Dingana lehibe ho an’i Laura ity fifaninanana ity satria ahafahany mahazo ny tapakila hiatrehana ny lalao olympika 2024 izay hatao any Paris, Frantsa.
Tsiahivina, Randrianasolo Lova Mahaisoa (-73kg) sy Rasoanaivo Razafy Laura (-70kg) no nihazo an’i Portugal, niatrika ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany, Juniors ity. Nikasa ny hifaninana ihany koa ny Malagasy Judokas, Razafindrakalo Natacha, saingy tsy afaka niatrika izany izy noho ny tsy fahazoany Visa. Samy nahazo medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 teo izy 3 mianadahy ireto ka izany indrindra no nisafidianana azy ireo hisolotena an’i Madagasikara. Efa tsy vaovao amin’ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena ihany koa izy ireo.
Mi.Raz