Pr Razafiarivony Michel : « Manan-danja ny kolontsaina… »

Tontosa, omaly, teny amin’ny Musée d’Art d’Archéologie Isoraka, ny valandresaka nampitondraina ny lohateny hoe « Kolontsaina mialoha fandrosoana ». Tanjon’ny mpikarakara ny hampahafantatra ny lanjan’ny kolontsaina eo amin’ny fandrosoan’ny firenena. « Ireo hetsika sy fomba ary fanao rehetra mikolo ny saina no atao hoe Kolontsaina, ary manana io kolontsaina io avokoa ny firenena rehetra. Ny fanajana sy fahaizana mitrandraka io mpikolo ny saina io no antoka iray mitondra any amin’ny fandrosoan’ny firenena iray », hoy ny profesora Razafiarivony Michel.
Mitohy hatrany ny hetsika fanaon’ny mpikaroka eo amin’ ny sehatry ny haikanto sy ny hainifahagola. Ny anjara toerana sy ny mahazava-dehibe ny kolontsaina eo amin’ny fandrosoana no navoitra nandritra io valandresaka omaly io. Ny fanajana ireo fomba sy fanao ary fihetsika mikolo ny sain’ireo mponina any amin’ny firenena voalaza fa mandroso no anisan’ny mampandroso azy ireo. « Manan-danja ny kolontsaina satria mora ny mandroso rehefa voakolo ny sain’ny vahoaka ka afaka miaraka mandroso amin’ny tanjona iray » hoy hatrany ny Pr R. Michel.

Lin

Partager sur: