Voasambotry ny polisin’ny SAG teny Ampefiloha, afakomaly alina, ireo jiolahy roa raindahiny amin’ny fanendahana. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy no nahatrarana ireto jiolahy ireto. Nampiahiahy ny fihetsik’ireto jiolahy ka niroso tamin’ny fisavana azy roa lahy avy hatrany ny polisy. Tratra tany amin’izy ireo ny antsy maranitra fampiasan’izy ireo. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy PPA Ampefiloha ireto jiolahy ireto hanohizana ny fanadihadiana. Niaiky izy ireo, nandritra ny famotorana, fa nikasa hanao fanendahana teny amin’ny manodidina an’Ampefiloha. Toerana matetika ahitana asan-jiolahy amin’ iny faritra iny. Ampefiloha hatreny tetezan’i Bekiraro Ambodin’Isotry, lalamby mihazo an’Anosibe iny no tena ahitana fanendahana miaro vonoan’olona. Maro ireo olona nitondra faisana sy lasibatra amin’ izany ka antony nahatonga ny polisy manao hetsika fisafoana eny an-toerana. Natolotra ny fampanoavana ireto jiolahy ireto ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Lasibatry ny jiolahy koa ny raim-pianakaviana iray tratra hariva avy niasa teny 67 ha teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be garazy, afakomaly hariva. Avy niasa izy ka handeha hamonjy fodiana eny Andranonahoatra Itaosy. Teo am-piandrasana taxi-be izy no niharan’ny fanendahana. Lasa ny finday teny aminy.
J.C