Seha-pihariana iray mahaliana sy mahasarika olona maro ny fiompiana sy fambolena eto Madagasikara. Anisan’izany ny fiompiana ireo biby miaina anaty ala sy miala amin’ny mahazatra.
Asa mila fikirizana sy fitiavana ny fiompiana. Mitaky asa 24 /24 ora, ary 7/7 ny asa, izany hoe, na andro na alina. Tsy maintsy eo foana ny olona amin’ny fikarakarana ny biby fiompy fa tsy azo avela tsy mihinan-kanina satria mamono sy mampihena ny vokatra izany. Ahitam-bokatra foana ny asa iray rehefa tiana sy ankafizina na mamizana sy mafy tahaka ny inona aza.
Robisson Avo Fitahiana, antsoina hoe Bena, tovolahy 22 taona, mipetraka etsy Ankazomanga. Nianatra manokana momba ny agronomie teny amin’ny Paul Minault izy. Misehitra amin’ny fiompiana ireo karazam-biby miala amin’ny mahazatra na biby hafakely ny asam-pivelomany tao anatin’ny taona maro. Anisan’ izany, ny bitro avo karazana toy ny Géant de Flandre, Géant Papillon Français, Caille de Japon… Ho an’ny karazana akoho, hita ao ny Australop, Sussex, Brahma… Eo ihany koa ny karazam-borona toy ny vorontsiloza, voromailala, akoholahinala (faisan), papelika, Perruche ondulée (karazam-borona vahiny)… Nanokatra toeram-piompiana atao hoe «La ferme de Bena» izy nanomboka tamin’ny 2019. Efa niompy efa hatramin’izay ireo ray aman-dreniny ka antony nahatonga azy hiompy, raha ny fanazavany. “Teraka sy lehibe tao anatin’ny fiompiana sy fambolena ka lasa tia sy nankafy izany manokana”, hoy izy nanazava. Niainga tamin’ny fiompiana akoho gasy sy bitro gasy ny nataon’izy ireo tany am-piandohana. “Mahaleo tena 100% amin’ny lafiny ara-bola ary tsy misy fanampiana avy any ivelany fa miezaka manodina ny eo an-tanana”, hoy hatrany izy. Rehefa mikasika ny fahasalamana ihany vao miara-miasa amin’ny mpitsabo biby.
Biby an’ala
Niezaka nitrandraka sy nikaroka mba hampivoarana ny fiompiana nentim-paharazana taty aoriana ary niezaka nanafatra karazam-biby vaovao, hafakely tsy fahita andavanandro. Mahafinaritra ary tena ankafiziny ny fiompiana ireo karazam-biby ireo. Anisan’izany, ny Géant de flandre, bitro avy any Bélgique. Anisan’ny bitro vaventy indrindra, satria mahatratra hatramin’ ny 8 kg eo izany, ao anatin’ny 7 volana. Ompiana manokana ho naman’ny olombelona na antsoina hoe (animaux de compagnie) izy ireny. Miala amin’ny fiompiana saka sy alika mahazatra ny olona ary manolo izany ho bitro. Ankoatra izay, manala rarin-tsaina ny fahitana ireo karazam-biby ireo ka anisan’ny tsy ahafoizany azy, raha ny fanazavana hatrany. Nomarihiny fa misy biby miaina sy mivelona anaty ala ireo karazam-biby ompiany ireo. Amin’ny ankapobeny, tsy tia mihidy ary tsy mety ompiana anaty trano fa mila toerana malalaka ikarenjeny. “Ezahina arahina sy fenoina araka ny tokony ho izy ny sakafo, ny fikarakarana rehetra ilainy sy mahafeno ny zavatra takian’ireo biby mba hahitana vokatra”, hoy hatrany izy. “Mila fitiavana be ihany koa ireo karazam-biby ompiany ireo”, hoy izy nanamafy. Milamina sy mamokatra tsara izy ireo rehefa feno sy tanteraka ireo fepetra takina rehetra ireo.
Lafo ny vidin’ny sakafom-biby
“Lany amin’ny sakafom-biby avokoa ny 70% amin’ny fandaniana amin’ny fiompiana iray”, hoy Robisson Avo Fitahiana, mpandraharaha eo amin’ny fiompiana. Lafo ny vidin’ny sakafom-biby raha eto Madagasikara, raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao. “Mitarika fatiantoka ho an’ny ankamaroan’ny mpiompy izany satria tsy mahaleo ny sarany ny vidiny noho ny halafon’ny sakafom-biby”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa sakana iray ho an’ny fivoaran’ny fiompiana eto an-toerana izany. Ho azy manokana, miompy akoho vahiny fa omena sakafo gasy mba hampihena ny masonkarena sy ny fandaniana eo amin’ny sakafo. Ankoatra izay, niezaka namorona sy nikaroka sakafom-biby ho azy manokana izy mba hialana amin’izany olana izany. Nohamafisiny fa mila fehezina ny fandaniana raha tsy te ho fatiantoka.
Mifameno ny karazam-piompiana maro
Samy manana ny vanim-potoanany mety aminy avokoa ireo biby tsirairay avy. Mifameno ny karazam-piompiana rehetra ka tsara ny iompiana azy ireo miaraka. Rehefa tsy mamokatra ny omby amin’ny vanim-potoana maintany sy ririnina, mamokatra kosa ny bitro. Vanim-potoana fahavaratra, mihena ny fanatodizan’ny akoho satria mando ny tany. Mamokatra be indray ny omby satria betsaka ny vilona. Raha nifototra tamin’ny fiompiana omby fotsiny, ka sendra namotsotra tampoka ny reny omby alohan’ny fahasivy volana itondrany vohoka. Maty daholo ny programa efa noeritreretina ka miteraka fahasahiranana eo amin’ny mpiompy izany. Nohamafisiny fa tsy tsara ny manao kajikajy dieny mialoha amin’ny fiompiana. “Fantaro ny zavatra tena tianao ary ataovy hatramin’ny farany fa ahitana fahafinaretana sy tombony izany”, hoy ny hafany..
Nanatontosa : Mino
Sary : nomena