SOMBIM-BAOVAO

Norombahan’Andriantefihasina Elisoa sy Raolina Noemie, ny tompondakan’i ITF ho an’ny sokajy «double» vehivavy. Lasan-dRabarijaona Tefy Ranja sy Rajini Rurik, ny an’ny lehilahy «double». Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana kosa, Ramanantoanina Ravaka, solontenan’i Madagasikara tamin’ity fifaninanana ity, ho an’ny “simple”, vehivavy.
Hifanandrina amin’i Afrika Atsimo, mpampiantrano i Madagasikara anio, amin’ny fifaninanana «Cosafa Cup», taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Tsiahivina fa mila mandresy an’i Afrika Atsimo ny vehivavy Barea raha tian’izy ireo ny hanantena ny ho tafita amin’ny dingana manaraka amin’ity fifaninanana ity.
Nomontsanin’i Nouvelle Zélande tamin’ny isa mavesatra 73 no ho 0 i Uruguay, ny alakamisy lasa teo, tany France. Tafita hiakatra amin’ny dingana manaraka, araka izany, ny All Blacks Nouvelle Zélande amin’ ity fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Rugby, ity. Marihina fa niakatra kianja omaly, ny XV Bleus France, mpampiantrano.
Lavon’i Liverpool, Anglisy tamin’ny isa 2 no ho 0 ny USG, Belgique, ny alakamisy alina lasa teo. Teo amin’ny minitra faha-70, i Loîc Lapoussin, Malagasy mpilalao USG Belgique no niditra. Tsy dia tazana i Lapoussin tamin’ity fihaonana ity, tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nantsoina handrafitra ny Barea ho any Marôc izy.

Partager sur: